- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohitrarahaba : Andian-jatovo mpisetrasetra sy mpandratra olona nosamborin’ny pôlisy

Ambohitrarahaba : Andian-jatovo mpisetrasetra sy mpandratra olona nosamborin’ny pôlisy

Tovolahy efatra no nosamborin’ny pôlisy, teny amin’iny faritra Ambohitrarahaba iny. Voalaza fa manao andiany izy ireo niady taman’olona ary nahavita nandratra tamin’ny zava-maranitra mihitsy aza moa. Olona roa teo no lasibatra : tovolahy iray izay mipetraka eny amin’iny faritra Analamahitsy iny no niharan’ny daroka sy ny vono avy tamin’ireo andian-jatovo ireto. Ny iray kosa, raha ny angom-baovao azo hatrany dia saika hanasaraka sy hamonjy ity voavono no mbola niharan’ny daroka avy tamin’ireo farany. Mandeha ny feo eny amin’iny faritra Analamahitsy sy Ambohitrarahaba fa andian-jatovo maromaro izany, mampihorohoro ny mponina eny an-toerana, indrindra fa ireo sendra tratr’alina. Mazava ho azy fa efa samy eo ambany vahoan’ny zava-mahadomelina avokoa ireto tanora ireto ary mila vanina na mihetraketraka tsotr’izao amin’ireo olona sendra azy. Manahy mafy ireo mponina amin’ireo faritra ireo fa sao ireo andiana tanora efa malaza ratsy any amin’iny faritra Avaratry ny nosy iny ireto tonga eto an-drenivohitra ireto. Ny sasany amin’ireo mponina mantsy dia mitantara fa misy an’izany fikambanan-jatovo izany eny Ambohitrarahaba eny, izay mitarika ireo tanora ho anatin’ny fimamoana, fidorohana, fangalarana ary herisetra. Hatreto anefa araka ny filazan’ny mpitandro filaminana dia tsy misy izany eny an-toerana. Trangana adiadin’ny tanora toy ny efa mahazatra ity zava-niseho ity. Na izany na tsy izany anefa dia efa eo am-panaovana fanadihadiana lalina izy ireo.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici