- Publicité SW45 -
dimanche, juin 2, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohitrarahaba : Mpitondra bisikileta maty voahitsaky ny kamiao

Ambohitrarahaba : Mpitondra bisikileta maty voahitsaky ny kamiao

Nipotsaka ny atidoha an’ilay mpitondra bisikileta.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tetsy Ambohitrarahaba, ny asabotsy teo. Araka ny vaovao avy eny an-toerana Dia raim-pianakaviana iray nitondra bisikileta no maty tsy tra-drano voahosin’ny kamiao. « Nanaraka ilay kamiao avy aoriana izy ka izay nahavoa azy », hoy nambaran’ireo olona nahita maso ity loza ity. Tampoka teo anefa nianjera tampoka izy ka lavo tamin’ny arabe ilay mpitondra bisikileta ary voahitsak’ilay kamiao bé. Hatairana ny an’ny rehetra nahita ity zava-niseho ary niantsoantso nampijanona ilay kamiao. « Voahitsaka tamin’ny lohany ary nipotsaka ny atidohan’ilay lehilahy », hoy ny filazan’ny nanatri-maso. Nisy nahafantatra ary voalaza fa efa mpandalo eo amin’io toerana nitrangan’ny loza io ity namoy ny ainy ity. Antony nahatonga ny loza ny fanarahany ilay kamiao tany amin’ny ilany havanana teo amin’ny arabe. Anisan’ny antony mahatonga Lisa ho an’ireo mpitondra bisikileta na moto ny fanarahana fiarabe tahaka izao. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana ary nandray an-tanana ny fanadihadiana. Naiditra am-balam-pamonjana ilay kamiao, ary miatrika famotorana ny mpamily.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici