- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitrarahaba : Zaza 14 taona nisy nangalatra, tafatsoaka tany an-tranony

Ambohitrarahaba : Zaza 14 taona nisy nangalatra, tafatsoaka tany an-tranony

Zazavavy iray 14 taona monja no nisy nangalatra ny alin’ny 25 jona lasa teo. Niaraka nivoaka nijery afomanga teny Sabotsy Namehana tamin’ny rainy sy ny zandriny ity zazavavy ity io andro io. Nody izy nony avy teo nanatitra ilay zandriny ary niverina namonjy an-drainy indray. Ilay rainy anefa efa niverina nody koa, ka teo no nifandiso izy mianaka. Nandritra izany, nisy ramatoa iray, miaraka amin-janany roa manodidina ny 4 sy 6 taona eo, nikitika azy ka nanontany azy tamin’ny feo sendaotra hoe « hiasa ve indry ? ». Tsy hay hoe nahoana fa dia nanaiky tsy tam-pihambahambana ilay zazavavy. Notantanan’io ramatoa io izy avy teo ary nentiny nivoaka ny kaominina Sabotsy Namehana. Rehefa tonga teo amin’ny arabe dia nisy lehilahy roa nitsena indray ilay zazavavy. Ireto farany no nitondra azy an-tongotra hatreny Antanandrano. Nanomboka teo dia tsy nisy tsaroan’ilay zazavavy intsony raha tsy efa ny antoandron’ny alatsinainy 27 jona teo. Napetraka tanaty efitra iray tsisy entana, nampatoriana tamin’ny « ciment » ary tsy nomena sakafo ihany koa. Ny mpanampy nivoaka niantsena  no nohararaotiny nivoahana ny vavahady nanao tari-dositra nitsoaka. Rehefa tonga teo Ankadikely Ilafy izy dia nampandre ny polisy ary nanoro ilay toerana nasiana azy, anelanelan’Antanandrano sy Ambohitrarahaba. Tratra tao ilay vehivavy voarohirohy saingy nandà hatramin’ny farany ny heloka niampangana azy. Efa nentina eny amin’ny biraon’ny polisy ity farany nanaovana ny fanadihadiana. Marihina fa tsy nahitana ratra na mangana ilay zazavavy rehefa natao ny fizahana azy. Tsy nisy marika nahavoaolana azy ihany koa.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici