Nalainy ny lambohoany dia nampiasainy mba hanantonana ny tenany. Tsy naka lavitra izy fa teo amin’ny tohatra ihany izany no nafatony ary nitarika ny fahafatesany. Lehilahy iray 52 taona no nisafidy ny namoy fo ny alin’ny zoma hifoha alahady teo. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany no nitranga izany tao amin’ny tokantrano iray etsy Ambohitrimanjaka. Raha araka ny tatitry ny zandary dia fandraràna azy tsy hiaraka amin’ny vehivavy iray no nitarika io famoizam-po io. « Nisy olona teo amin’ny fianakaviany tsy nanaiky ny fiarahan’izy roa, ary hatreto dia izay no eritreretinay ho antony namonoan’ilay lehilahy ny tenany », raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana. Na izany aza anefa, satria mahakasika fahafatesana ny raharaha, dia tsy maintsy misy ny fanadihadiana nosokafana. Betsaka ary tena marobe ny olona mamono tena eto amintsika na dia tsy fantatry ny fiarahamonina firy aza ny fisian’izany. Eny amin’ny hopitalim-panjakana no tena ahitàna taratra an’izany. Ny olona dia mamono tena amin’ny fihinanana poizina na koa fanafody no tena maro eny. Raha ny fanadihadiana tsotsotra dia mihodinkodina eo amin’ny olana ara-pitiavana miampy vesatry ny fiainana andavan’andro no mitarika ireo olona hamoy fo. An-jatony isam-bolana izany mba tsy hitenenana hoe misy isan’andro. Tsy mifidy sarangan’olona, raha ny fanazavan’ny mpitsabo, nefa na izany aza dia tsikaritra fa ireo olona efa manambady no tena matetika mamono tena. Isan’ny olana eto amintsika ny tsy mbola firoboroboan’ny asan’ireo mpitsabo izay manam-pahaizana amin’ny fitsaboana saina (psychiatre). Any ivelany anefa, raha vao misy olana tsy zakan’ny sain’ny olona, dia manatona azy ireny avy hatrany. Tsy dia azo atao ny fampitahana satria ny hoenti-manana tsy mitovy ary isika Malagasy koa dia malaza ho « be saina ». Nefa dia ny mifanohitra tanteraka amin’izany ihany no mitranga raha tarafina amin’ny zava-misy eny amin’ny hopitaly. Manaraka izany, rehefa avotra soa aman-tsara ka miverina eo amin’ny fiarahamonina ireo olona nanandrana namoy fo, dia tsy mba misy ny fanaraha-maso ara-pahalasamana ny saina. Tsy vitsy araka izany ny miverina manao ny fanaony indray.
D.R