- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohitrimanjaka : Nisy nandoro ny rovan'ny mpanjaka

Ambohitrimanjaka : Nisy nandoro ny rovan’ny mpanjaka

Mbola hita teo ny tavoahangy nisy solitany izay nentina nandoro ny rovan’Ambohitrimanjaka. Ny alin’ny talata hifoha alarobia teo no nitrangan’izany. « May ny fito miandalana tafo bozaka. Ilay trano rova kosa efa norarahana solitany ny lafiny efatra, saingy mbola tsy may« , raha araka ny tatitry ny mpitandro ny filaminana mahakasika ity heloka bevava ity. Mbola io loharanom-baovao io ihany koa no namantarana fa manodidina ny misasakalina tany ity fandoràna ity. Nisy avy hatrany ny fanadihadiana nosokafana mahakasikana an’ity raharaha ity. Marobe ny eritreritry ny olona rehefa misy ny fanimbàna sy fandorana vakoka toy izao. Ao no milaza fa misy olona mitady voninahitra avy amin’ny alàlan’ny ratsy atao takalony dia ny fanaovana zava-doza toy izao. Ao ihany koa ny mieritreritra fa misy mandranitra adim-poko indray. Ny zava-misy aloha dia endrika faniratsiràna ny maha-Malagasy ny toy izao ary mendrika ny karohina hatramin’ny farany ny tompon’andraikitra. Saingy hatramin’izay dia tsy tonga lavitra mihitsy ny fanadihadiana, hany ka ny nandoro ny rovan’i Manjakamiadana sy ny nangalatra ny satro-boninahitry ny mpanjakavavy aza dia tsy mba nisy voasambotra mihitsy hatramin’izao.
20

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici