- Publicité SW45 -
mardi, octobre 8, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohitrimanjaka : Tokantrano voaroba 8 tapitrisa ariary, voadaroka ny raim-piankaviana

Ambohitrimanjaka : Tokantrano voaroba 8 tapitrisa ariary, voadaroka ny raim-piankaviana

Jiolahy efatra nirongo basy lava, vy marainitra ary kibay no niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray teny Farahiratra, ao amin’ny kaominina Ambohitrimanjaka ny Sabotsy hifoha ny Alahady teo. Araka ny nambaran’ny niharam-boina dia tamin’ny 11 ora alina tany ho any raha mbola tsy natory izy mivady no nitranga ny fanafihana. Novakian’ireo olondratsy ny varavarankely ary teo izy ireo no niditra ka namonjy avy hatrany ny efitrano fatorian’ireto mpivady ka nidaroka ilay rangahy tamin’ny hazo no sady nitaky vola. Tsy namelan’izy ireo raha tsy namoaka ilay raim-pianakavia ka very tamin’izany ny vola 8 tapitrisa ariary. Naratra mafy  ihany koa ny lohan’ilay vodaroka ka tsy maintsy nalefa haingana teny amin’ny hôpitaly.

Vola vidin-tany

Efa lasa ireo joilahy vao afaka nampandre ny mpitandro ny filaminana ny niharam-boina. Araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena dia tamin’ny 11 ora 58 minitra izy ireo no nahazo antso avy amin’ny karitie mobily ao amin’nity fokontany ity. Nidina teny an-toerana vay hatrany ny mpitandro ny filaminana mba hizaha ny zava-misy. Ny fanadihadiana savaranonando no nahalalana fa vao avy nivarotra tany ireto mpivady ireto no izao niharana fandrobana izao. Fantatra ihany koa fa tokony ho tsy nisy nahalala ny fisian’izany varotra izany afa-tsy ireo mpanera roa vavy nanao ny fifampiraharahana sy ilay mpividy, rah any filazan’ny tompontrano. Noho io antony io dia mipetraka ny ahiahin’ireto niaram-boina fa mety ho tetika efa nomaninana izao nahazo azy ireo izao. Misokatra moa ny fanadihadiana lalina momba ity raharaha ity. Manoloana ny tranga toy izzao dia manentana ireo mponina mba ho mailo hatrany ny zandarimaria ka tsy hisalasala hampandre azy ireo raha vao misy ny mampiahiahy eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

T.M

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici