Tapaka ny jiro iray manontolo teo Ambohitsoa sy ny manodidina. Tonga hatrany Andoharanofotsy izany, raha araka ny fanazavan’ny Jirama. Izany no nateraky ny lozam-pifamoivoizana nitranga teo an-toerana ny alin’ny 26 jiona teo. Nihevitra ny olona fa noho ny fampiasana herinaratra mihoapapana tetsy Mahamasina no nitarika delestazy indray. Saingy rehefa nozohina dia noho ny fandoman’ny fiara tsy matahodàlana iray ny andrinjiron’ny Jirama ka nampirodana izany no nitarika ny fahatapahan-jiro. Mitondra ny marika Rexton ny fiara ary efa nisy nahita nandona kodiaran-droa tany aloha tany kanefa tsy nijanona. Mbola nitohy nivilavila eraky ny làlana ary nandona tamboho lehibe amoron-dàlana. Mbola nitohy ihany ary nandona tamboho fanindroany. Ny niafarany dia tafiditra tany amin’ny làlan-kafa izay niala ny arabe ary nandona ny andrinjiro izay nianjera tany anaty tranon’olona, izay vao nivadika. Nikiakiaka nitomany ny zaza telo tao anatiny ary ireo no nosintomin’ny olona faran’izay haingana niaraka tamin’ny mamany. Vetivety dia tonga ny Jirama ary niasa avy hatrany. Mba nahavelom-bolo ny olona izany, satria tao anatin’ny adiny iray monja dia niverina ny jiro. Mbola niverina namarana ny asa tamin’ny fanesorana ilay andrinjiro ireo teknisiana omaly. Soa fa tamin’ny fotoana nanarahan’ny olona ny matso tamin’ny fahitalavitra no nitranga ny loza. Izany hoe, mba tsy dia betsaka ny nivezivezy teny an-dalambe. Raha tsy izany angamba dia mety ho niteraka fahafatesana maro ity lozam-pifamoivoizana ity. Raha ny fihevitr’ireo nanatri-maso sy nanavotra dia mamo ny mpamily ny fiara. Naratra io farany ary nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana.
D.R