- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohitsoa : Grossiste voatafika tamin’ny basy

Ambohitsoa : Grossiste voatafika tamin’ny basy

Amin’ny ora tena mahabetsaka olona mpivezivezy no sady làlan-tokana rahateo no misy, no nitranga ny fanafihana mitam-piadiana, omaly tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany. Toeram-pivarotana mpambongady no voatafiky ny fitolahy mitam-piadiana, basy sy antsy. Ny telo niandry teo ivelany ary ny ambiny niditra tao anaty fivarotana. Noratraina tamin’ny antsy ny mpivarotra mba hampahafantarana fa tsy misangy izy ireo. Nalaina ny vola maty indray andro izay mitentina iray tapitrisa ariary. Nitsoaka nizotra tany Saropody ireo jiolahy ary raha ny re dia mbola nisy voatafika koa teny amin’ny làlana nandehanany. Ny alatsinainy teo koa dia nisy toeram-pivarotana izay voatafika tamin’ny basy, mbola teo Ambohitsoa hatrany. Omaly indray, teo amin’ny ranon’Ikopa izay tsy mifanalavitra amin’Ankadievo, kartie mifanila avokoa izany, dia nahitàna fatin-dehilahy nisy tsatok’antsy. Heloka bevava mifanesy ohatr’izany no iainan’ny olona eo an-toerana tao anatin’ny andro vitsy izay. Mila fanamafisana maika avy amin’ny tompon’andraikitry ny fandriam-pahalemana.  

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici