- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohitsoa : Làlana nofefena, anio ny fitsaràna

Ambohitsoa : Làlana nofefena, anio ny fitsaràna

Mitaraina ireo mponina eo Ambatolava-Ambohitsoa, eo amin’ny boriborintany faharoa, noho ny famefena ny làlan’izy ireo. Izany dia hifamezivezen’ny fiara teo aloha ary ankehitriny dia zara raha omby olona sisa. Vokany, betsaka no tsy afaka mody amin’ny fiara sy kodiaran-droa intsony ankehitriny raha hody an-trano. Tsy vitan’izany fa lasa mipetra-potsiny ny siniben-drano napetrakin’ny fanjakana mba entina hamatsiana ny manodidina. Ny antony dia tsy tafiditry ny kamiao mpamatsy rano intsony ny toerana. Nanao fitokonana teo an-toerana sy filanjàna sorabaventy ny mponin’Ambatolava-Ambohitsoa ny faran’ny herinandro teo. Androany kosa no fantatra fa hiakatra fitsaràna ny raharaha rehefa nametraka fitoriana ireo voakasika. Amin’ny tranga toa itony, moa ve tsy any amin’ny teknisiana izay namaritra ny sarin-tany no tokony hiompanan’ny fitadiavam-bahaolana? Tokony tompon’andraikitra arak’izany koa ny olon’ny fananan-tany satria lasa mampiady olona raha sanatria avy any amin’izy ireo ny fahadisoana.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici