- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitsoa : Mirongatra ny halatra moto amin’ny alina

Ambohitsoa : Mirongatra ny halatra moto amin’ny alina

Moto efatra izay no nanjavona tao anatin’ny alina roa. Ny iray aza dia mpitandro ny filaminana no tompony ary mipetraka ao anaty toerana mihidy ilay kodiaran-droa. Mitaraina ankehitriny ny mponina eny Ambohitsoa mahakasika ny fidiran’ny jiolahy eo an-tokontanin’izy ireo ary ny moto ihany no tena atao lasibatra. Ny mahatalanjona ny mponina dia tsy heno mihitsy ny nanatontosana ny halatra kanefa dia ao anaty tanàna misy vavahady mihidy ny ankamaroany. Mihevitra ny olona fa mampiasa fonoka ireo jiolahy ary matetika dia eo aorian’ny amin’ny roa ora maraina no manao ny asaratsiny izy ireo. Alohan’izay mantsy mbola misy ny olona mikenonkenona na koa mody alina rehefa avy niasa. Tsy ao Ambohitsoa ihany no mirongatra ny halatra moto fa saika eny amin’izay toerana hametrahana azy ireny ka maromaro. Vao tamin’ity herinandro koa no nisy ny fahaverezana  moto tao amin’ny hopitaly iray eto an-drenivohitra, tetsy Befelatanana raha ny filazan’ny tompon’ny entana very. Io indray dia sady misy « camera de surveillance » no misy mpiambina kanefa dia mbola vitan’ny jiolahy ihany ny naka azy. Mila mailo arak’izany ny olona izay manana moto ary misafidy ny toerana hametrahana azy ary koa miambina amin’ny alina. Mitady vola ny jiolahy amin’izao faramparan’ny taona izao mba hanaovany fety ary mitady izay fomba rehetra hahazoana izany. Ny moto no isan’ny mora amidy indrindra rehefa ovaina ny lokony sy ny taratasiny ary mety ho izany angamba no mampirongatra koa ny halatra.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici