vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohitsoa : Trano telo indray nirehitra

Ambohitsoa : Trano telo indray nirehitra

Toeram-pivarotana avokoa ireo trano may.

Ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo no nitranga ny loza. Ny trano voalohany toeram-pivarotana enta-madinika, ny faharoa fivarotana kojakoja fanamboarana ary ny fahatelo fivarotana raokandro malagasy. Ny mpiara-monina tao amin’ny trano dia nilaza fa na izy ireo aza dia tsy mahafantatra izay niandohan’ny afo. Ny trano efa nirehitra no nisy nahita ary nifanampy ny olona namoaka ny entana sy namono ny afo. Nisy moto nipetraka tao amin’ny iray amin’ireo trano ary iny no tena nahiana mafy sao ho tratry ny afo ka hampitatra izany. Mba tafavoaka ara-potoana ihany ilay kodiaran-droa. Ny tamin’ny trano hafa dia may kila tsy nisy noraisina intsony, indrindra fa ireo entana maro isan-karazany namidy. Mba tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy fa ny fahavoazana materialy no betsaka. Betsaka ny siosion-dresaka nandeha teo an-toerana, momba ity tranga ity. Isan’izany ny hoe nisy nanafika ny toerana dia nodoran’ireo olon-dratsy avy eo, ary nitatra ny afo ka nahazo toeran-kafa. Ilay kodiaran-droa no mety ho tena natao lasibatra, raha araka ilay resaka niely hatrany. Hatramin’ny omaly anefa aloha dia tsy nanamarina na nandiso izany ny mpiara-monina tamin’ireo trano.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici