- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohitsoa : Vehivavy nandeha niasa maraina voavelin’ny « bois rond »

Ambohitsoa : Vehivavy nandeha niasa maraina voavelin’ny « bois rond »

Ny ain’ilay vehivavy mihitsy no nofofoina
Ny ain’ilay vehivavy mihitsy no nofofoina

Tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany maraina, raha niala tao amin’ny trano fonenany izy ka handeha hihazo ny toeram-piasany no nisy lehilahy roa na telo nively tamin’ny « bois rond ». Omaly no nisehoan’izany tetsy Ivanja-Ambohitsoa. Fikasàna hamono mihitsy no nitranga satria teo amin’ny lohany avokoa no voavelin’ilay hazobe. Tsy nisy na inona na inona rahateo very teny aminy. Tafatsoaka ilay ramatoa ka mba avotra ihany ny ainy. Ny mpiasan’ny fahitalavitra TV plus izay sendra handeha hanao fandaharana vao maraina ihany koa no nahita azy efa naratra be. Ny fiaran’io orinasa io no nitondràna ny naratra teny amin’ny hopitaly. Mihorohoro ny iray tanàna raha nandre ny fisian’ity tranga omaly ity. Ny antony dia satria tsy vao voalohany no nisian’izao ary nisesisesy mihitsy aza. Mbola tsy maty tao anatin’ny lohan’ny olona ny fisian’ilay razana hita tao amin’ny toeram-pilalaovam-baolina tao Ankadievo, izay ho teo amin’ny manodidina ihany, dia izao koa dia efa nisy iray nokasaina novonoina indray. Raha tsiahivina kely ny momba io heloka bevava testy Ankadievo io, nahitàna razana feno ratra sy niboridana. Vehivavy naolana izy io dia novonoina. Mitaraina ny olona satria toa tsy tonga lavitra mihitsy ny fanadihadiana kanefa loza manambana ho an’ilay tanàna ny zava-nitranga hatramin’ny tapatapaky ny taona. Nisesy ny vehivavy voaolana sy novonoina nony avy eo kanefa tsy mety fantatra ny tena ao ambadik’izany. Mangataka ny olona ny mba handehanan’ny fanadihadiana lavidavitra kokoa satria tena tsy mandry saina, indrindra ny ray aman-dreny manoloana ny zava-misy…

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici