- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbolokandrina : Mpamaky trano maty, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ambolokandrina : Mpamaky trano maty, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray no namoy ny ainy, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo, rehefa nianjeran’ny hatezeram-bahoaka, teny amin’iny faritra Ambolokandrina. Voalaza fa tra-tehaka teo am-pamakiana trano ity farany, araka ny angom-baovao azo, niaraka tamin’ny namany iray. Tokony ho tamin’ny 12 ora alina teo no raikitra ny fifanenjehana teny an-toerana rehefa nisy ny antso vonjy. Tsy lasa lavitra dia tra-tehaky ny fokonolona ny iray. Nitsoaka niaraka tamin’ny entana azon’izy ireo kosa ilay niaraka taminy. Mbola nahatratrarana fitaovana maromaro fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny moa tany amin’ity tratra ity. Nofataron’ireo fokonolona ity voalaza fa olon-dratsy ary niharan’ny daroka sy vono isan-karazany. Niafara hatramin’ny famoizany ny ainy mihitsy moa izany. Heverina fa efa tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana taorian’izay ary andrasana ny mety ho tohin’ny raharaha sy ny fanadihadiana ary ny fikarohana ilay olona iray tafaporitsaka.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici