- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversAmbolokandrina : Notapahina ny làlana, raikitra ny sakoroka

Ambolokandrina : Notapahina ny làlana, raikitra ny sakoroka

Nodorana ny kodiarana dia notapahina ny làlana. Nentina naneho ny hatezeran’ireo olona izay nilaza ho tsy faly noho ny fisian’ny fanorenana trano tsy ara-dalàna etsy sy eroa, eo anivon’ny faritry ny Oniversiten’Antananarivo, ary koa noho ny fahatapahan-jiro miverimberina eny an-toerana. Sahirana ny mpampiasa iny làlana iny vokatr’izany fahatapahan-dàlana izany. Raha araka ny vaovao azo avy eny an-toerana dia tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana ary niditra an-tsehatra. Nisy ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso ary izany dia novalian’ireo olona tamin’ny tora-bato. Tsy nisy kosa anefa ny voasambotra, hatramin’ny ora nanoratanay. Loharanom-baovao teo anivon’ny mpianatra ary nisafidy ny tsy hotononina anarana no nanazava fa misy zavatra hafahafa momba ity raharaha ity. Ny marainan’io mantsy dia nisy olona nidina teny an-toerana ary raha ny fihevitr’ireo mpianatra dia efa niketriketrika an’io korontana io. Hatramin’ny alina dia mbola nitohy ny sahotaka teo amin’ny roa tonta, izany dia taorian’ny nahatongavan’ny mpitandro ny filamianna teny an-toerana, tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva. Nikatona avokoa ny tsena rehetra noho ny tahotra ary lasa tanana maty ilay kartie. Ny korontana sisa no hita teny omaly alina. Olana efa hatramin’ny elabe saingy tsy mety voavaha ity nipoitra omaly ity indray. Mirongatra ny fanorenana ao anatin’ny Cité U ary efa an-taonany maro izany, saingy toa tsy nisy ny fepetra noraisina hatramin’izao. Ny delestazy indray dia ny mponina rehetra eto an-drenivohitra no indray iharan’izany ary efa samy naneho ny hatezerany avokoa tamin’ny fomba samihafa, isan’izany ny fanakanan-dàlana izay niseho ohatra teny Mahazoarivo, iray volana lasa izay. Dikan’izany dia olana miverimberina foana no mitarika sakoroka matetika, indrindra fa eny anivon’ny Cité U. Ny fanontanina mipetraka dia ny hoe naninona no omaly no nipoitra tampoka indray ny fihetsiketsehana ?

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici