- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbolonkandrina : Notifirina teo amin’ny lohany raha hamonjy fodiana

Ambolonkandrina : Notifirina teo amin’ny lohany raha hamonjy fodiana

Mbola feno rà teo akaikin’ny fiarany.

Ny zoma hifoha asabotsy teo no nitranga ny fikasàna hamono olona. Tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany maraina, raha hamonjy ny fodiany ny lehilahy iray 28 taona no nisy nitifitra. Koa satria izy mipetra-drery noho izy vao nisara-mpanambadiana ary koa tsy manana mpanampy, dia izy ihany izany no tsy maintsy namahany vavahadin’ny tokotany hitsofohan’ny fiara marika Golf Type 2 izay fananany. Teo indrindra no nitranga ny loza. Vantany vao tafiditra ny fiara ary mbola tao anatiny izy no nisy nitifitra ka vaky ny fitaratra aoriana. Naheno ny poa-basy izy dia nitsoaka avy hatrany nanavotra ny ainy ka nivoaka tao anaty fiara. Mbola nitohy ihany ny tifitra teo ary tena nampidi-doza hoazy aza : voa teo amin’ny lohany ilay lehilahy. Tsy nisy afa-tsy kitapo izay nentin’ilay rangahy ihany no lasan’ireo jiolahy. Tsy nisy fahavakisany ny tranony na dia efa teo an-tokotaniny aza izany ireo olon-dratsy ary ny fiara ihany koa dia tsy nokitihan’ireo olon-tsy fantatra. Rehefa tonga ny pôlisy avy eo amin’ny brigade criminelle (BC3) nanao ny fanadihadiana dia tsikaritr’izy ireo ny taim-bala iray calibre 12, teo an-tokotany. Ny bala iray kosa dia mbola tavela ao amin’ny faritra havia amin’ny lohan’ilay lehilahy. Io faranyizay miady amin’ny fahafatesana hatramin’ny asabotsy teo. Tamin’ny roa sy sasany maraina no nitranga ny fifofoana ny ainy ary adiny telo taty aoriana vao nisy nahita izy nitsirara teo amin’ny tany efa tsy nahatsiaro tena intsony. Ahiana mafy ny ainy noho ny fahavezan-drà be loatra ary koa noho ny fahapotehan’ny bala ao anatin’ny

Tavela ao anaty lohany ny bala « calibre 12 » iray.

atidohany. Omaly tolakandro izay nahazoam-baovao farany momba azy dia mbola miady amin’ny fahafatesana hatrany ity lehilahy ity. Raha ny momba ny entana tao anatin’ilay kitapo  nalaina tenyaminy indray dia vola izay tsy dia betsaka loatra, taratasin’ny fiara, taratasy izay mahakasika ny fisaraham-panambadiany sy ny didim-pitsaràna mahakasika izany no tao. Ny fianakavian’ity lehilahy ity dia manahy mafy fa « règlement de compte » no nitranga. Ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny polisy misahana ny BC3 ankehitriny.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici