- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbondromamy : Mpirafy niady, maty ny iray

Ambondromamy : Mpirafy niady, maty ny iray

Lehilahy lehibe iray eo amin’ny 59 taona eo nantsoina hoe Papabe  no maty vokatry ny tsatoka antsy nahazo azy tany Ambondromamy disitirikan’Ambato Boeny ny faha-2 desambra teo. Ny vaovao nampitain’ny mpitandro filaminana no nahafantarana fa nanana sakaiza izy io. Tamin’ny fotoana nandehanany tao amin’ilay vehivavy anefa, nifanehatra tamin’ny rafilahany izy. Tsy fantatra izay niseho fa raikitra ny ady teo amin’izy roalahy ireo ary nisy ny namoaka antsy. Raha vao voa ilay Papabe izay naratra mafy dia noezahana nentina haingana tany amin’ny hopitaly. Noho ny fahaverezan-drà be loatra anefa, tsy tana ny ainy.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici