Noho ny firongatry ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina any amin’ny faritra Betsiboka iny dia manao sakana fiarovana na “barrage de sécurité” ny polisy any an-toerana entina hiadiana amin’izany. Teo am-panatanterahana izany, ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo dia tovolahy iray 19 taona eo ho eo no tratra nitondra rongony 10 kilao tao anaty fiara fitanterana avy any Port-Berger ho ao Ambondromamy tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Araka ny fampitam-baovao dia efa mpivezivezy mitatitra rongony amin’iny lalana iny ity tovolahy ity. Nandritra ny fanadihadiana dia niaiky izy fa azy ireo rongony ireo ary tany amin’ny faritra Ambalafaminty any Port-Borger no nividianany azy ka nokasainy hamidy sy haparitaka ao Ambondromamy. Eo ampikarohana ireo mpiray tsikombakomba aminy mpandray ireo zava-mahadomelina ireo ny polisy ankehitriny.
T.M