- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversAMBONDROMAMY : Rongony 10 Kilao sarona tamina tovolahy 19 taona

AMBONDROMAMY : Rongony 10 Kilao sarona tamina tovolahy 19 taona

Noho ny firongatry ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina any amin’ny faritra Betsiboka iny dia manao sakana fiarovana na “barrage de sécurité” ny polisy any an-toerana entina hiadiana amin’izany. Teo am-panatanterahana izany, ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo dia tovolahy iray  19 taona  eo ho eo no tratra nitondra rongony 10 kilao tao anaty fiara fitanterana avy any Port-Berger ho ao Ambondromamy tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Araka ny fampitam-baovao dia efa mpivezivezy mitatitra rongony amin’iny lalana iny ity tovolahy ity. Nandritra ny fanadihadiana dia niaiky izy fa azy ireo rongony ireo ary tany amin’ny faritra Ambalafaminty any Port-Borger no nividianany azy ka nokasainy hamidy sy haparitaka ao Ambondromamy. Eo ampikarohana ireo mpiray tsikombakomba aminy mpandray  ireo zava-mahadomelina ireo ny polisy ankehitriny.

T.M

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici