- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmboniloha : « Kamiô » nilazaon’ny hisitra, nifaoka fiara telo

Amboniloha : « Kamiô » nilazaon’ny hisitra, nifaoka fiara telo

Dia mbola olana ara-teknika indray. Kamiô iray no nilaozan’ny hisatra omaly folakandro tetsy Alarobia Amboniloha. Vokany fiara telo no voafaoka, samy nahitana fahapotehana, ary tambohon’olona iray teny an-toerana no potika. Na dia teo aza izany, tsy nisy ny aina nafoy. Faharatràna madinika ihany koa no nianjady tamin’ilay mpamilin’ilay fiarabe. “Efa somary hafahafa ihany ny fandehan’ity fiarabe, nitondra hazo ity raha vao nanomboka nidina ny lalana ary teo am-pandiganana ilay “casseur de vitesse” voalohany izy”, hoy ny filazan’ireo teny an-toerana. Niha-nandeha mafy mantsy ity, raha somary niadana avokoa ny rehetra noho ny fisian’ireo dongona fampihenana hafainganam-pandeha. Nanomboka teo no nikivilavila an-kavia sy an-kavanana. “Fantatro avy hatrany fa nilaozan’ny hisatra ity fiara taorianako. Niezaka ny hiala ihany aho fa tsy afaka” araka ny fitantaran’ilay mpamilin’ilay fiara voafaoka voalohany. Tsy nandiso azy tokoa ny fisainany. “Vao afaka an’ilay dongona voalohany aho, dia tsapako fa lasa tanteraka ny “frein”. Niezaka ny hampijanona ilay fiara aho ka nikendry ilay tamboho tao amin’ny ankaviako saingy, efa akaiky ilay fiara teo aloha ka tsy lasa tany” hoy ilay mpamilin’ilay kamiô. Mafy ny fifandonana. Nifatratra tamin’ilay fiara teo alohany ilay kamiô. Itsy voalohany indray, noho ny dona ihany dia nandona fiara “mazda minibus” nipetraka teo amin’ny sisin’arabe sy fiara “sprinter” iray, rehefa namarana ny diany tamin’ny fandrodanana tambohon’olona. Potika tanteraka ny eo aloha amin’ny ilany havanan’ilay fiara tapaka hisatra. Soa ihany fa nahay niala nitsambikina avy hatrany ity mpamily ity ary tsy nisy afa-tsy izy irery ihany koa no tao fa raha tsy izany dia efa nandriaka indray ny rà. Azo lazaina fa afa-doza ihany koa ireo mponina teny an-toerana. Raha tany ity tokoa mantsy ka tsy voasakan’ilay fiara teo alohany ity fiarabe ity, mety ho efa fatiolona nikararàna indray no nitranga. Soa ihany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici