- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra : Enim-bolana tsy nahazo tambin-karama ny sefom-pokontany sy ny lefiny

Ambositra : Enim-bolana tsy nahazo tambin-karama ny sefom-pokontany sy ny lefiny

Tsapa nandritra ny andro maromaro  fa betsaka ireo olom-pirenena manatona ireo biraom-pokontany, mba haka ny kara-pifidianana. Manaprofo izany fa betsaka ny mpifidy no mieritreritra ny handeha handatsa-bato sy haneho ny safidiny amin’ny 07 novambra izao, raha ny eto Ambositra renivohitra no resahina. Matoa tanteraka izao finiavana handeha hifidy izao, dia noho ny ezaka ataon’ny mpomba ny kandida tsirairay avy ao amin’ny aino aman-jary samihafa misy eto an-toerana amin’ny fanaovana fampielezan-kevitrra.

Raha ny mikasika ny « société civile », dia mbola betsaka ny tsy mahalala ny   adraikitra sy ny adidiny eo anivon’ny fiaraha-monina amin’izao fanomanana ny fifidianana izao, hoy ny ankamaroan’ny mponina sendra anay ka  nametrahanay ny fanontaniaina. Ny hoenti-manana, dia anisan’ny vato misakana tsy hahafahan’ireo mpikambana manatanteraka ny asa ihany koa, nefa fantatr’ireo mpikambana fa misy ny vola natokana ho amin’izany amin’ireny tetikasa na fandaharanasa vatsin’ny mpamatsy vola ireny, fa tsy mipetraka loatra amin’ny fandavan-tena ny tsirairay.  «  Aoka hazava ! » hoy ny ankamaroan’ireo mpikambana.

Etsy andaniny kosa, dia mitaraina ireo sefom-pokontany sy ny lefiny, fa efa enim-bolana izao izay ireo, ny  eto Ambositra-renivohitra, no tsy nahazo ny tambin-karama, nefa mafy  ny asa amin’izao fanomanana ny fifidianana izao.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici