
Eo anoloan’ireo olona mirenireny eny amin’ny arabe izay tsy mitsahatra ny mitombo, dia tanora maromaro no nandray andraikitra tamin’ny fanampiana azy ireo. Fanampiana tsotra nefa mahomby, izay mifantoka betsaka tamin’ny lafin’ny fahadiovana, antoka ho an’ny fahasalamana. Nisy araka izany ny fanapahana volo, ny fanapahana hoho, ny fampandroana. Ho fankaherezana sy ho fanampiana ireo mpirenireny, dia nofaranana tamin’ny fanomezan fitafiana sy sakafo. Telopolo mianandahy mianaka no nahazo tombontsoa tamin’izany tao Iajaky, ny zoma 5 oktobra teo.
Izany no tanteraka, hoy ireo tanora, dia noho ny fandraisana an-tanana nataon’ireo zanaka am-pielezana avy any dilambato, toy an’i Tovomalala Andoniaina izay angady nananana sy vy nahitana, sy ireo tsara sitra-po avy eto an-toerana, izay nanome fanampiana, toy ny vola, fitafiana , sakafo sy fitaovana fanadiovana maro samihafa, ary mbolo hitohy izao ezaka, tsara halaina tahaka izao. Sambany ihany koa teto Ambositra no nisy izao hetsika izao, izay niainga avy amin’ny isam-batan’olona, fa tsy avy amin’ny fikambanana, izay niarahana nisalahy tamin’ny tambajotran-tserasera iray (facebook) “Agnay t’Ambositra”.
Anastase