- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra : Mpifaninana ho zandary roa maty nandritrA ny fifaninanana

Ambositra : Mpifaninana ho zandary roa maty nandritrA ny fifaninanana

Mafy loatra ve ny fitsapana ara-batana ireo mpiadina? Mpianatra ho zandary roa, ny marimarina isan’ireo mpifaninana hiditra ho andiany faha-71 eo anivon’ny sekolin’ny zandarimaria ao Ambositra no namoy ny ainy nandritry ny fihodinana faharoa dia ny fitsapàna ara-batana izany. “Ny 14 aprily teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany, nandritry ny taranja hazakazaka no tsy nahatsiaro tena tampoka ny mpiadina lehilahy iray antsoina hoe Randriamahazo Ulrich Edith rehefa nahavita ny taranja 1000m (…) toy izany ihany koa, rehefa tokony ho tamin’ny  telo ora tolakandro dia nisy mpiadina lehilahy hafa indray antsoina hoe Fanomezantsoa Herman Christophe izay torana taorian’ny hazakazaka hatrany” raha araka ny fampitam-baovao ôfisialy avy tamin’ny zandarimarim-pirenena. Ho an’ilay voalohany dia nohazavain’ny sampana seraseran’ny zandary hatrany fa “taorian’ny fizahana maika nataon’ireo dokotera teo an-kianja ihany dia nalefa teny amin’ny hopitalin’Ambositra izy io,  nividianana ireo fanafody rehetra nosoratan’ny mpitsabo tao, kanjo tsy tana ny ainy rehefa tokony ho tamin’ny 12 ora ». Ho an’ilay olona faharoa kosa dia « teny amin’ny hopitalin’Ambositra izy no namoy ny ainy na dia efa nanaovana ny famonjena rehetra tokony ho natao taminy aza izy teo an-kianja ka hatreny amin’ny hopitaly ».Fanehoan-kery diso tafahoatra no nitarika ny fahafatesan’ireo tanora ireo, rehefa nozahana ny razana. Nisy ny fizaham-pahasalamana talohan’ny fifaninana ary  tomombana afaka manao ny adina ara-panatanjahan-tena izy ireo. Mpitsabo dimy sy mpitsabo mpanampy maro no eo an-kianja mandritra ny adina, hoy ny zandary. Na izany aza, raha mpiadina roa no indray namoy ny ainy ao anatin’ny fifaninanana iray, mipetraka ihany ny fanontanina , sao mba mafy loatra ny fisapana ara-batana ?

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici