- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbositra : Nahitana fiakarana 15 isan-jato ny vidin’ny biriky eny am-potony

Ambositra : Nahitana fiakarana 15 isan-jato ny vidin’ny biriky eny am-potony

Toy ny akora fototra rehetra misy any an-toerana, dia nahitana fiakarana 15 isan-jato ny vidin’ny biriky eny am-potony. Raha 70 ar ny vidin’ny biriky iray eny am-potony tamin’ny taon-dasa, ankehitriny, dia lasa 80 ar. Maro ny antony mahatonga izany, hoy ireo mpisehatra amin’io lafiny io, ka anisan’ny lehibe amin’izany, dia ny fahasimban’ny totolo iainana, toy ny fahasimban’ny tany, ny doro tanety. Vokatry ny trondra-drano, dia betsaka ireo tanimbary no tratran’ny fasika, ka miha ratsy ny kalitaon’ny tanimanga. Sarotra ny fitadiavana kitay andoroana ny biriky,  noho ny doro tanety. Eo anolohan’izany rehetra izany, dia ao ihany koa ireo tompon’ny tanimbary izay manararaotra ny fisehoan-javatra, ka mampiakatra ny ofana.

Raha eo amin’ny lafiny karama, dia mitaraina ireo tantsaha, fa tsy manaraka ny vidim-piainana, ny karama misy amin’ny fanaovam-biriky , izay mbola 15 ar ihany hatramin’ny taon-dasa. Tantsaha iray, dia mahavita 300 ka hatramin’ny 500 biriky mandritra ny indray andro. Izany hoe mahazo vola 7500 ar isan’andro, na latsaky ny 2 dolara amin’ny vola vahiny. Ny fotoana fanaovana biriky, dia manomboka amin’ny volana marsa ary mifarana amin’ny volana novambra, fotoam-pahavaratra, dia miditra indray ny fotoam-pambolena izay ahitana ny saraka an-tsaha,  3000 ar ny vehivavy isan’andro, raha 4500 ar ho an’ny lehilahy. Ny tompon’ny asa no miantoka ny sakafo.

Araka ny fanadihadihana nataon’ireo mpikaroka, dia latsaky ny 80 isan-jato amin’ny mponina any ambanivohitra no mbola afaka miasa sy mamokatra (population active). Miainana ao anatin’ny fahantrana lalina ny faritra Amoron’i Mania izay voakilasy ho faritra ara-toekarena mahantra indrindra eto amin’ny nosy.

Anastase

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici