- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra : Vehivavy no mpanaparitaka basy

Ambositra : Vehivavy no mpanaparitaka basy

Niainga tamin’ny fahazoam-baovao noho ny fitazonana basy tsy ara-dalàna ary niafara tamin’ny fisamborana ny mpikambana eo anivon’ilay tambajotra izay mpanao trafikam-basy. Tao Ambalamarina, tanàna eo anivon’ny kaominina Ivato-Centre, ao amin’ny distrikan’Ambositra, dia nisy ny fisamborana olona roa izay sarona niaraka tamin’ny “fusil d’assaut chinois” niaraka tamin’ny “boîte à chargeur” roa ary bala mirefy 7,62mm miisa 60. Narahana fisavàna ny tranon’ilay lehilahy izay voatondro fa mitahiry ireo fitaovam-piadiana izany fisamborana izany. Tao anatin’ny fanadihadiana ireo olona voasambotra no nisy anaram-behivavy iray voatonona. Natao ihany koa ny fikarohana sy ny fisamborana an’io farany. Natolotra ny fampanoavana omaly avokoa ireo olona ireo, ankoatra ilay vehivavy izay mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly noho ny aretiny. Io farany no voalaza fa mpanaparitaka ireo basy ao amin’io tanàna io.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici