- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbotofotsy : Zandary sy miaramila lavo

Ambotofotsy : Zandary sy miaramila lavo

Ilay zandary lavo

Zandary hors classe Rajaonarivelo Anjarasoa, niasa tao amin’ny borigady Mahasolo, sy ny Kaporaly Randrianjafy Samuel, izay niasa teo anivon’ny RM1 Antananarivo no lavon’ny balan’ireo dahalo raha namaly ny antson’ireo mponina ao Ambatofotsy ferme noho ny fahaverezan’ny ombin’izy ireo izay  lasan’ny dahalo ny 9 hifoha 10 aprily teo. Zandary iray hafa koa no naratra voatifitra dia ny ny kilasy faharoa Rakotomandroso Michel izany. Dahalo am-polony nitondra basy FC maromaro no nangalatra omby tao amin’io tanàna io miisa 60 ka raha vao nandre ny antso vonjin’ny mponina ireo zandary efatra sy ny miaramila iray tao an-tanànan’Ambatofotsy, dia nandeha avy hatrany nampian’ireo fokonolona. Nikasa hanakan-dalana ireo dahalo teo amin’ny kizo iray eo atsimon’ny tananan’Ambatofotsy izy ireo. Raha vao hiditra ny kizo anefa izy ireo tokony ho tamin’ny 1 ora alina dia tifitra variraraka no niandry azy satria efa nisy dahalo hafa niandry ireo namany handalo koa teo ary tsy tazana noho ny haizina. Noezahan’ireo mpanara-dia ny hisintona ireo voatifitra mba hamonjena azy ireo aloha ka tafaporitsaka ireo dahalo sy ny omby. Nentina namonjy tanàna ireo maty sy naratra ary nitohy ny fanarahan-dia izay notarihana manambononahitra sy zandary hafa tonga nanampy ary ny fokonolona. Tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro ny 10 aprily 2017, teo amin’ny toerana atao hoe TSIMAVANDY (kizo iray tokony ho 50 km atsimo andrefan’Ambatofotsy) dia tratran’ireo mpanara-dia ireo dahalo ka raikitra fanindroany indray ny fifampitifirana ary lavo ny dahalo roa, tafaverina teo ny omby miisa 28. Mbola lasa ihany anefa ireo dahalo sy ny omby sasany ka mbola nitohy noho izany koa ny fanarahan-dia ary efa voalaza avokoa ireo tobin’ny zandary manodidina rehetra. Namoy ny ainy indray ny zandary iray sy ny rahalahy iray hafa avy ao amin’ny Tafika Malagasy noho ny fiarovany, tsy ny ainy na ny fananany, fa an’ireo mpiray tanindrazana aminy. Ny fianakaviam-ben’ny Zandarimariam-pirenena dia maneho fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ireo mahery fon’ny firenena izay lavo teo am-panatanterahana ny andraikiny, ary koa mirary fahasitranana haingana ho, an’ilay zandary naratra.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici