Miasa eo anivon’ny hopitaly ao Ambovombe-Centre ilay rangahy maty tsy tsa-drano nandritra ny fanafihan-dahalo. Razafindrazaza Thomas no anarany, lehiben’ny fitantànana olona eo anivon’ny hopitaly ao Ambatonosy. Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo no nitranga ilay asa ratsy niteraka vonoan’olona. Nidiran’ny jiolahy tao amin’ny nisy azy ary notifirina teo amin’ny lohany, raha araka ny fanampim-baovao. Maty tsy tsa-drano ilay rangahy. Manambady rasazy izy, izany hoe, samy miasa eo anivon’ny fahasalamana izy roa. Namoaka fanambaràna omaly ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka momba ity raharaha ity. Nanameloka avy hatrany ny zava-nisy niantraika tamin’ny olony izy. « Ny Fianakaviamben’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia manameloka ny herisetra izay nitranga tao Ambatonosy ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy 4 aprily 2022, ka namoizana namana mpiara-miasa: Atoa Razafindrazaza Jean Paul Thomas, Chef personnel, BSD Manandriana, DRSP Amoron’i Mania. Maneho ny fiaraha-miory amin’ny vadiny izay Sage-Femme ao amin’ny CSB2 Ambovombe Centre, sy ireo zanany roa lahy( 6 taona sy 2 taona) », raha araka ny hita tao anaty fanambaràna ofisialy. Notohizan’ity minisitera ity ny fanentanana ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany ny mba hanamafisana ny fitandroana ny fandriam-pahalemana manerana ny nosy. Tsy vao voalohany tokoa mantsy ny nisian’ny mpiasan’ny fahasalamana niharan’ny heloka bevava. Tany Ambovombe, taorian’ity vonoan’olona ity, dia nampiasaina ny alika mpitsongo dia mba hanampy amin’ny fikarohana ny olon-dratsy.
D.R




