- Publicité -
dimanche, mai 18, 2025
AccueilFaits-DiversAmbovombe : Dahalo raindahiny, matin’ny fokonolona

Ambovombe : Dahalo raindahiny, matin’ny fokonolona

Lehilahy iray fantatry ny maro ary efa hikoizana tanteraka amin’ny halatr’omby no maty niharan’ny fitsaram-bahoaka ny alahady lasa teo, tao Antanimavo, kaominina Ampamata, distrika Ambovombe. Tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro tany ho any no nisy nampandre ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Antanimora, mahakasika ity tranga ity ary nidina avy hatrany teny an-toerana. Efa noraisina avokoa ny fepetra rehetra, hisorohana ny mety ho fihoaram-pefin’ny vahoaka talohan’izay anefa. Tamin’ny fahatongavan’izy ireo teny an-toerana, araka ny fampitam-baovao azo dia efa tomefy olona ny toerana, nitangorona manodidina ilay dahalo maty. Raha ny fantatra dia teo am-pikasàna ny hanao ny asa ratsiny ity lehilahy ity no tsikaritry ny fokonolona. Nandositra avy hatrany anefa ranamana ka raikitra teo ny fanenjehana azy. Tsy lasa lavitra dia voasambotr’ireto vahoaka. Raikitra tamin’izay ny daroka sy ny vono ary io niafara tamin’ny famoizan’ity lehilahy ity ny ainy io. Taorian’ny fizahana ny razana nataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany dia efa natolotra ny natolotra ny fianakaviny ihany ny razana. Mazava ho azy nosokafana tamin’io ihany ny fanadihadiana rehetra mahakasika ity tranga ity. Tetsy andanin’izay ihany koa, nanararaotra  ny nahavory lanona ny fokonolona ireto tompon’andraikitry  ny filaminana ireto nampitàna azy ireo ny hafatra fa tsy voararan’ny lalàna ary mety ho voahenjika araka izay mihitsy ny fitsaràm-bahoaka. Misy ny lalàna velona eto amintsika izay hahafahana manenjika ireo mpanao ratsy ary izay rahateo ny antom-pisian’ny mpitandro filaminana, hampihatra sy hikaroka izay fandikan-dalàna izay. Ny mety dia ny miantso avy hatrany ny tompon’andraikitra rehefa misy tranga tahak’izany ary ny manolotra avy hatrany any amin’izy ireo olon-dratsy voasambotra. Niara-nanaiky izany rahateo moa ireo fokonolona tany an-toerana, izay nirava tam-pilaminana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici