Mampiteny ny moana ankehitriny ny firongatry ny asan-dahalo any amin’ny Distrikan’ Ambovombe Androy, ka maro amin’ny mponina ambanivohitra no lasa mitsoa-ponenana tsy fidiny mamonjy ny renivohitry ny Kaominina na Distrika, ka ahiana ny tsy hisian’ny mpifidy amina birao fandatsaham-bato maromaro amin’ny fifidianana ho avy io, satria lasa haolo ny tanàna sasany noho ny fihoaram-pefy ataon’ny malaso, izay anaovan’ny vahoaka lasibatra antso avo andro aman’alina amin’ny fitondram-panjakana. Araka ny tati-baovao voaray, dia trangana halatra omby arahina vono olona sy fakana an-keriny indroa na intelo isan-kerinandro no miseho any amin’ny Kaominina ambanivohitra Ampotaka. Toy izany ihany koa ny ao Manombo, ka mitondra faisana amin’izany ireo mpiompy monina any amin’ny fokontany saro-dalana tsy misy tambajotram-pifandraisana sady lavitra tobina mpitandro filaminana.
Eric Manitrisa