- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversAmbovombe : Zandary roa maty notifirin’ny dahalo

Ambovombe : Zandary roa maty notifirin’ny dahalo

Tifitra variraraka no nataon’ny dahalo ireo mpitandro ny filaminana miisa roa izay samy maty tsy tsa-drano. Izy ireo dia naharay antso tamin’ny fokonolona noho ny fisian’ny dahalo nangalatra omby tao amin’ny fokontany Andranovola, toerana iray ao amin’ny distrikan’Ambovombe ary ao amin’ny faritra Androy. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany izy ireo niaraka tamin’ny sivily iray, omaly. Nampoizin’ireo olon-dratsy ny fiavian’izy ireo ary nandrasany tamin’ny toerana iray izay azo niafenana. Teo ny tifitra variraraka no natao ary nahalavo azy telo lahy, sivily ny iray. Raha araka ny fampitam-baovaon’ny seraseran’ny zandarimaria dia ny zandary “hors-classe” antsoina hoe Zara Rufin sy ny zandary kilasy faharoa Ranjalahy Manoelha Merci ireo namoy aina tamin’ity fanafihan-dahalo  nihatra tamin’izy ireo ity. Nanomboka omaly ihany dia efa nahetsika avokoa ny zandary rehetra eo anivon’ny vondron-toby manodidina mba hanao ny fanakanana sy ny savahao. Miady aman’aina hatrany ireo mpitandro ny filaminana izay miasa eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Ity tranga ity dia manaporofo avy hatrany fa vitsy an’isa izy ireo amin’ny fanatontosana ny asany. Ny dahalo nifanandrina taminy dia telopolo isa ary mitam-basy izay mbola tsy voafaritra ny isany ny sy ny karazany. Ny zava-misy anefa dia efa betsaka ireo dahalo mitazona kalachnikov ankehitriny ary mainka koa manasarotra ny asan’ny mpitandro ny filaminana izany. Heverina ho izany rahateo no mahatonga ireo lavo ho betsaka sy misesisesy. Mila fandaminana tsara eo anivon’ny vondron’ny mpitandro ny filaminana satria raha mitohy izany dia lasa toa manao vy very ny ainy ny zandary any amin’ny faritra lavitra any, indrindra ny any atsimo izay miha-mahazo hery hatrany ny zandary noho ny fananan’izy ireo basy sy bala.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici