- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbovome - Ady amin’ny habadoana : Nahazo ivontoerana fiahiana ny olona tsy...

Ambovome – Ady amin’ny habadoana : Nahazo ivontoerana fiahiana ny olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra

Araka ny tarehimarika ofisialy, dia ny 30%-n’ny Malagasy mihoatra ny 15 taona amin’izao fotoana izao no tsy mahay mamaky teny sy manoratra ary mikajy, ka maro amin’ireo olon-dehibe any amin’ny faritra Atsimon’ny nosy no tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Mba hiadiana amin’ny habadoana misy sy mahazo laka, dia natsangana ao Ambovombe renivohitry ny Faritra Androy, ny ivontoerana fiahiana ny olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra, na ny « Centre d’Alphabétisation et de Ressources », ka ny olon-dehibe no hahazo tombontsoa manokana amin’ny fijoroany, ary sehatra iray hahafahana miady amin’ny habadoana ny fisiany. Misokatra tanteraka amin’ireo fikambanana rehetra miady amin’ny habadoana ny ivontoerana « CAR », raha ny fanazavana azo.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici