- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAMORON’I MANIA : Ady amin’ny kolikoly ; Natsangana ny « antenne mobile...

AMORON’I MANIA : Ady amin’ny kolikoly ; Natsangana ny « antenne mobile » an’ny Bianco

Ho fampanatonana ny vahoaka ny ady amin’ny kolikoly dia tafatsangana ny faha-12 jiona lasa teo ny « antenne mobile » an’ny bianco eto Ambositra, na ny masoivoho mandeha, sampana Fianarantsoa.  Izany no fantatra nandritra ny fihaonana nataon’ny tale iraisam-paritry ny Bianco-Fianarantsoa, Ramananarivo Heriniaina, tamin’ny mpanao gazety.

15 andro. Ao Antamponivinany amin’ny efitranon’ny « Population » no misy io masoivoho io ary nohon’ny ho enti-manana voafetra, dia 15 andro ihany ity masoivoho ity no miasa, nanomboka ny faha 12 jiona lasa teo. Vonona ity masoivoho ity mandray ireo olona manana raharaha mikasika mivantana ny kolikoly, toy ny fangataham-panazavana, fitoriana, sns…, hoy ihany ny tale iraisam-paritra. Nosoritan’ny tale iraisam-parita, fa raha mikasika ny eto Ambositra manokana, dia efa betsaka ireo asa nataon’ny Bianco   amin’ny ady amin’ny kolikoly ary mifantoka indrindra tamin’ny fanentanana  sy ny fisorohana ny kolikoly, toy ny fametrahana ny « plan de masse » eo amin’ireo sampandraharaham-panjakana isan-tokony.

Tonga nanome voninahitra izao fotoana izao, ny « prefet» ao Ambositra, ny lehiben’ny faritra Amoron’i Mania ary ny ben’ny tanàna Ambositra renivohitra, izay samy nanamarika ny maha zava-dehibe ny ady amin’ny kolikoly ho fampandrosoana ny firenena.

Anastase

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici