- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmpahiny Andrefana : Lehiben-dahalo roalahy naiditra am-ponja

Ampahiny Andrefana : Lehiben-dahalo roalahy naiditra am-ponja

Roalahy lehiben-dahalo sady mpibizina no mpanamboatra ary mpanaparitaka basy vita gasy no naiditra am-ponja vonjimaika, tany Ampanihy Andrefana, afak’omaly, rehefa nandalo fitsarana tany an-toerana. Raha ny fantatra, dia ny faramparan’ny herinandro teo ireto malaso roa ikoizana ireto no tra-tehaka niaraka tamin’ny basy poleta vita tanana iray sy basy lava vita gasy iray rehefa avy nanafika ka nangalatra omby dimy tao Ejeda. Afak’omaly io hatrany, lehilahy iray mpamboly sady mpivarotra rongony fanta-daza no naiditra am-ponja ihany koa. Ity farany moa, raha ny fanazavana azo, dia saron’ny mpitandro filaminana tsy afa-nitsoaka intsony teo am-pivarotana rongony tapa-gony, ny fiandohan’ity herinandro ity. Nambaran’ny Tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ampanihy Andrefana, Randrianasolo Arijaona Andriandazaina, fa “ hatramin’ny nahatratrarana sokatra an-tanety miisa 310 ny fiandohan’ny taona iny, dia tsy nisy sahy intsony ireo mpibizina sy mpanondrana sokatra an-tsokotsoko noho ny sazy mafy hihatra an’izy ireo “. Noho ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny fitsarana sy ny mpitandro filaminana ary ny vahoaka amin’ny fampiharana ny Dinabe, dia nihena ny asan-dahalo sy halatra omby arahina vono olona any an-toerana. “ Tonga hampandry tany no nahatongavako taty nanomboka ny volana aogositra 2015, ary hiady amin’ny fahalovana rehetra hampanjakana hatrany ny tany tan-dalàna, mba hisian’ny filaminana maharitra ahafahan’ny vahoaka mihary sy mamokatra am-pitoniana ”, hoy ny Lehiben’ny fampanaovana hentitra namarana ny fanazavany. 

Eric Manitrisa

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici