- Publicité SW45 -
mercredi, avril 17, 2024
AccueilFaits-DiversAmpamantanana : Manomboka ny fisamborana

Ampamantanana : Manomboka ny fisamborana

Ny alatsinainy teo no nanomboka ny fisamborana voalohany momba ny raharaha vonoan’olona izay nitranga teo Ampamantanana-Androndra. Raha ny fanazavàna azo tamin’ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana dia olona mipetraka teo amin’ny fokontany nisehoan’ilay heloka bevava ihany aloha no nalain’ny mpanao fanadihadiana voalohany teo an-toerana. Miisa roa izy ireo ary nanokafana fanadihadiana avy hatrany. Mbola tsy nisy nipika kosa izay mety ho anton’ny nangalàna azy ireo tao an-tranony hatreto na isan’ny nahiahiana na kosa hatao vavolombelona fotsiny ihany. Nahoraka teo an-tanàna indray ity zava-nitranga ity variana ny olona tamin’ny fitondràna ireo olona nosamborina nentina tao anaty fiaran’ny mpitandro ny filaminana. Marobe ny resaka mandeha eo an-tanàna toa ny hoe misy fifandraisany amin’ny resaka ara-pitiavana izay niteraka lonilony ilay vonoan’olona. Ny lonilony aloha azo eritreretina satria tsy nisy nipika ny fananan’ilay lehilahy novonoina, na izany ny kodiaran-droa na koa ny taratasy teny aminy. Mihodidina amin’izany rehetra izany ny fanadihadian’ny mpikirakira raharaha momba ny heloka bevava ary handrasana izay mety ho valin’izany. Lasa liana ny olona ny amin’izay mety ho anton’ilay famonoana satria nampalahelo loatra no sady nampatahotra.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici