- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversAmpamantanana : Vonoan’olona, fandrobàna, vaky trano

Ampamantanana : Vonoan’olona, fandrobàna, vaky trano

Tapitra nisesy teo amin’ny fokontanin’Ampamantanana ireo karazana heloka bevava tao anatin’ny herinandro latsaka. Raha mbola tsy lefy akory ny fitadidian’ny mponina eo an-toerana mahakasika ny fisian’ilay famonoana mpanamory taxi-moto avy amin’ny tsatok’antsy teo amin’ny tendany, roa andro toarian’izay dia nisy fanafihana mitam-piadiana izay nanjo ny fivarotana enta-madinika iray. Nanapoaka basy ny jiolahy tamin’io. Vita indray izay, ny ampitson’iny dia nisy tokantrano nohanian’ny olon-dratsy tamin’ny tohatra mba ahatafidirana any ambony rihana. Dia izany rehetra izany no nifanesy teo amin’ity kartie be mponina ity tao anatin’ny andro vitsivitsy. Niely eny amin’ny fokontany manodidina ny zava-nitranga ary niampita torak’izany ihany koa ny fikorontanan’ny sain’ny olona, indrindra ireo izay mikirakira vola. « Henonay avokoa ny momba ny fanafihana teo Ampamantanana ary izahay izao dia nisafidy ny manidy tsena aloha be hatramin’ny nanombohan’ny tsy fandriam-pahalemana io » raha araka ny fanazavan’ny mpivarotra enta-madinika iray etsy Ambohitsoa, fokontany manaraka an’Ampamantanana. Matahotra ny olona ary amin’ny tambajotra sosialy aza dia mifananatra ny mba tsy tokony hivoahana hariva raha azo hatao, indrindra koa raha mitaingina kodiaran-droa. Hita ho misy ihany amin’ny alina ny mpitandro ny filaminana izay mivezivezy manao fisafoana. Tonga hatrany Mahazoarivo sy Ambohimiandra raha ny hita. Ny olana anefa raha ny tsikaritra dia amin’ilay vao manomboka maizina iny avokoa no niseho ireo asan-jiolahy sy famonoan’olona ireo. Izany hoe mila mpitandro ny filaminana mijanona andro aman’alina aloha eo an-toerana na koa hasiana azy ireo manao fanamiana sivily mba « hanjonoana » ireo mpanao ratsy.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici