Lehilahy iray manodidina ny 30 taona no hita faty omaly vao maraina teny amin’iny faritra Ampandrianomby iny. Nitsirara teo am-povoan’arabe sy nihoson-drà. Ny fahitàna ny razana avy hatrany no nahafahan’ireo mpitandro filaminana nilaza fa voadonan’ny fiara ity tovolahy ity. Araka ny nambaran’ireo mponina teny an-toerana tokoa mantsy, ny sabotsy alina teo, nisy fiara tsy mataho-dalana iray, nentina teratany vahiny no nirimorimo avy amin’iny faritra Mausolée iny, handeha hizotra ho any Ampasampito. Nisy naheno ilay feona kodiarana nidrisina tamin’ny arabe, saingy tsy nisy nahamarika kosa na nisy inona na nisy inona. Vao mainka mantsy niridana nanohy ny diany ihany ity fiara ity. Io vao maraim-be io ny fokonolona vao gaga, raha nahita ny vatana mangatsiakan’ity lehilahy ity. Nentina avy hatrany eny amin’ny tranom-paty ny razana. Eny am-pelan-tanan’ireo pôlisy miandraikitra ny lozam-pifamoivoizana kosa ny raharaha. Nisesisesy tokoa ny lozam-pifamoivoizana tamin’iny faran’ny herinandro iny. Ny sabotsy lasa teo, raim-pianakaviana nitondra môtô no nodomina fiara 4×4 iray, teny Ankadindratombo. Naratra mafy ity lehilahy ity, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka kosa ilay mpamily. Omaly maraina, fiara 4×4 sy fiara kely iray no nifandona. Tsy nisy ny aina nafoy saingy samy naratra avokoa ireo mpandeha tao anatin’ireto fiara ireto, izay nentina novonjena haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana.
r.s