Loza mahatsiravina no nitranga teo amin’ny tetezan’Ampangabe, Ambohitrimanjaka omaly. Vehivavy lehibe tokony ho 60 taona any ho any maty tsy tra-drano rehefa voahitsaky ny fiarabe iray teny an-toerana. Tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy sy nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany moa ireo zandary.
Omaly maraina, rà mandriaka teo ambony tetezana, hiditra ny tanànan’Ampangabe Ambohitrimanjaka no nanaitra sy nanala ireo rotoroton’ny mponina teny an-toerana. Vehivavy lehibe iray no voatetin’ny kodiaran’ity kamiao, mpitaona biriky, handeha hiakatra aty an-drenivohitra. Raha ny fampitam-baovao azo dia nilanja enta-mavesatra ity ramatoa ity, irony karazana herana na zorozoro irony, handeha hihazo an’Ampangabe ary efa teo ambony tetezana. Marihana fa tsy misy afa-tsy io tetezana io no miditra ny tanàna ary lalan-tokana ihany izy io. Efa teo ambony tetezana izy araka izany ilay ramatoa milonjehitra ireto entany no niditra ihany koa ilay fiarabe, somary be velarana ihany. Angamba nihevitra ny mpamily fa tsy maintsy hikisana hihazo sisiny ilay ramatoa ary dia niditra ihany izy na dia efa somary voabahan’ilay entana nentin’ity farany aza ny lalana. Tamin’io fotoana io anefa no nitranga ny loza. « Azo heverina fa voakasoky ny vatan’ilay fiarabe ny entana nololoaviny izay nampianjera azy. Kanjo dia niafara tany ambany kodiarana izy avy eo » raha ny angom-baovao. Marihana fa ny kodiarana aorian’ilay fiara no nitety ny lohan’ity renim-pianakaviana ity. Nandriaka ny rà ary vaky tanteraka ny lohany, izay nitarika tamin’ny fahafatesany.
Taorian’ny fitsirihana nataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany moa dia efa nomena ny fianakaviana ny razana. Ilay mpamily nahavanon-doza kosa dia efa nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny zandary teny an-toerana, notanana natao andrimaso ho amin’ny fanadihadiana. Nampidirina am-balam-pamonjana kosa ilay fiarabe.
m.L




