- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmpanihy Andrefana : Fatin-trozona efa simba nifandrobahan’ny mponina nakana hena

Ampanihy Andrefana : Fatin-trozona efa simba nifandrobahan’ny mponina nakana hena

Ny sabotsy maraina lasa teo, trozona iray lehibe efa maty tsy nisy lohany intsony, natompin’ny onjam-dranomasina teny amin’ny tora-pasika, tao amin’ny tanànan’ Ambohibola any amin’ny Kaominina Ambanivohitry Androka ao anatin’ny Distrikan’ Ampanihy Andrefana no hitan’ny olona, ka nifandrobahana naka ny henany, fa « mana » avy anaty rano hono, ka taolana sisa tamin’ilay trozona vao navelan’ny mponina. Sahirana ara-pivelomana moa ny ankamaroan’ny olona (zara raha mahita hena), ka tsy niandry fitiliana akory fa tonga dia naka, ary tsy miraharaha izay fiantraikany ara-pahasalamana eo amin’ny fihinanana an’ity trozona hita faty efa nihasimba (tsy hay na matin’ny poizina) tody teny amoron-dranomasina ity, ny asabotsy teo.

Raha ny fanamarinam-baovao azo avy amin’ny komandin’ny Borigadin’ny Zandarimariam-pirenena ao Androka, omaly  antoandro, tamin’ny alalan’ny antso an-telefaonina, dia tsy mbola misy aloha hatreto ny olona voatondro fa marary tamin’ny fihinanana an’ity henan-trozona ity, raha araka ny tatitra azony avy amin’ireo sefo fokontany, izay mbola nohamafisin’ Atoa Clovis, filohan’ny Fokontany ao Ambohibola. Loharanom-baovao hafa voaray avy any an-toerana anefa milaza, fa vokatry ny fihinanana an’io henan-trozona io, dia efa misy ireo marary mandoa sy mivalana, izay mbola tsy voafaritra mazava aloha hatreto ny tena isa marin’ izy ireo. Marihina fa ny Kaominina ambanivohitry Androka, dia kaominina amoron-dranomasina 100 km miala ny renivohitry ny Distrikan’ Ampanihy. Ny ao amin’ny Fokontany Ambohibola nahitana an’ity fatin-trozona ity kosa, dia tsy misy tobim-pahasalamana, ka tsy maintsy mandeha 12 km ny marary vao tonga ao Androka, hoy ny tati-baovao azo hatrany.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici