- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversAmpanihy Andrefana : Ramatoabe maty notrobaran’ny zafiny tamin’ny antsy

Ampanihy Andrefana : Ramatoabe maty notrobaran’ny zafiny tamin’ny antsy

Tovolahy iray manodidina ny 20 taona voalaza fa mamon-drongony no namono nahafaty ny renibeny tamin’ny fomba mahatsiravina, tany amin’ny distrikan’ Ampanihy Andrefana, afak’omaly. Araka ny vaovao voaray, dia nila sotasota tamin-dRamatoabe mitaiza azy ity tovolahy ity rehefa nangata-bola iray alina ariary ka tsy nahazo. Tezitra ny anao lahy ka naka zava-maranitra ary notsatotsatohany ny antsy ity renibeny.Rehefa hitany fa tsy nisy aina intsony ity farany sady nandriaka ny rà tao an-trano, dia vaky nandositra  izy, ka mbola karohina. Raha ny fantatra araka ny vaovao voaray hatrany, dia tsatok’antsy teo amin’ny tratrany sy ny kibony no nahafaty an-dRamatoabe. Raha ny loharanom-baovao, dia matetika miady sy mifamaly izy mianaka ireto noho ity tovolahy mivarilavo amin’ny fifohana jamala sy mangalatra.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici