- Publicité SW45 -
mardi, mai 14, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmpanihy Andrefana : Tovolahy nahafaty olona, notaperin’ny havan’ny maty ihany koa ny...

Ampanihy Andrefana : Tovolahy nahafaty olona, notaperin’ny havan’ny maty ihany koa ny ainy,

Loza mahatsiravina no nitranga tany amin’ny kaominina ambanivohitry Beahitsy, any amin’ny distrikan’ Ampanihy Andrefana, afak’omaly, satria olona roa no indray namoy ny ainy nihosin-drà tany an-toerana. Tovolahy iray 27 taona namono nahafaty raim-pianakaviana iray no matin’ny olona tamin’io fotoana io. Raha ny vaovao azo dia ady vokatry ny voly nohanin’ny biby fiompy, osy, no niatombohan’ny disadisa teo amin’ny roa tonta. Tsy nahatsindry fo ilay tovolahy tompom-boly nahavanon-doza fa avy dia nikapa famaky an’ilay lehilahy nifamaly am-bava taminy. Vokatry ny fira famaky in-droa teo amin’ny lohan’ ilay rangahy tompon’osy dia naratra mafy ity farany.

Maso solon’ny maso. Na dia novonjena haingana nialana nenina notsaboina aza, dia tsy tana intsony ny ain’ ity raim-pianakaviana 36 taona ity, vokatry ny fahaverezan-drà be loatra nitarika ny fahafatesany. Tezitra ny havan’ny maty ka nikaroka an’ilay tovolahy nahavanon-doza. Rehefa tratra ity farany dia niharan’ny maso solon’ny maso, nify solon’ny nify, ka maty tsy tra-drano.  Mahalasa ny saina, fa lasa nahazo laka tato ho ato ny fitsaram-bahoaka, izay tsy eken’ny  lalàna velona misy sy manan-kery eto amintsika ny fanaovana izany, ka hanairana ny sain’ny tomponandraikitra.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici