Dahalo rain-dahiny nanafika tokantrano iray no diso fanantenana tamin’ny vola tokony ho azony ka nosamboriny izy telo mianaka ary nentiny niala lavidavitra ny tanàna ary dia notapahany tsirairay ny lohan’izy telomianaka , ny iray aza moa nahitana dian’antsy maromaro ny tendany izay vao tapaka. Raim-pianakaviana manodidina ny 72 taona ary ny vadiny 50 taona ary ny zanany vavimatoa 30 taona no niharan’ny fanafihan’ ireto jiolahy ireto , nisy zanak’izy ireo iray tao an-trano fa saingy nisitrika ity farany ka tsy hitan’ireo jiolahy. Araka ny loharanom-baovao dia nivarotra kisoa ireto fianakaviana ireto ny voalohandohan’ny taona 2018 lasa teo ary dia noheverin’ireo jiolahy mbola nisy volabe tao amin’izy ireo ka izao niharan’ny fanafihana izao kinanjo efa tsy tao intsony ny volabe ka mety ho antony namonoan’ireto jiolahy ireto azy 3 mianaka . Lehiben’ny fokotany ilay raim-pianakaviana ka mora tamin’ireo jiolahy ny nitady ny trano , izay tao Ambondroala kaominina Sahamamy distrikan’Amparafaravola no nitrangan’ny famonoana ny alin’ny faha 06 janoary 2017 hifoha ny faha 07 janoary 2018. Mihorohoro araka izany ny vahoaka amin’iny tapany andrefan’Alaotra iny noho ny fanafihan-jiolahy matetika tato ho ato satria raha ny tao Antefirano Anororo ny faraparan’ny herinandro teo dia nataon’ireo jiolahy takalonaina indray ny zaza tao an-trano rehefa tsy nahazo vola izy ka rehefa nivondrona ny fokonolona rehetra dia tafatsoaka ihany ireo jiolahy ary tafaverina tamin’ny fianakaviany ilay takalonaina .Manao antso amin’ny fanjakana foibe ny vahoaka any amin’iny faritra Ampitandrefana iny fa lasa matahotra nohon’ny fanafihan-jiolahy ary efa ho olona 4 izay no efa tapatenda tany amin’iny faritra iny nohon’ny asan-jiolahy. Mandray andraikitra ny eny anivon’ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao ka hinoana fa hisy ny vokatra azo.
Janus R