- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmparibe : Nirehitra ny taratasy maro tao amin’ny minisitera

Amparibe : Nirehitra ny taratasy maro tao amin’ny minisitera

Tokony ho tamin’ny enina ora maraina, ny asabotsy lasa teo, no nanomboka ny firehetana. Ny trano fitahirizana antontan-taratasy no niharan’izany raha araka ny fanamarinana natao teo anivon’ny mpamonjy voina. Sampan-draharaha misahana ny orinasa lehibe eo anivon’ny minisiteran’ny vola sy teti-bola, etsy Amparibe no misy ny biraony, no nirehitra. Tsy ela dia voafehy ny afo, satria efa mba nosokafan’ny mpiambina avokoa ny lalana rehetra mizotra ho ao amin’ilay toerana, hany ka vetivety foana dia tafiditra ny mpamonjy voina. Baoritra feno dosie marobe no may kila. Nisy ihany anefa ny voavonjy rehefa navoaka faran’izay haingana taty ivelany. Raha ny fanamarihan’ny mpamonjy voina, dia nisy fandriana tao anatiny tao. Izany hoe tokony ho nisy olona niambina ilay efitrano nirehitra. Saingy tsy tao izany tamin’io fotoana io. Raha mba nisy ireny « extincteur » ireny – fitaovana izay tokony hanasazian’ny ministeran’ny asa orinasa maro ny tsy fisiany – tao amin’ilay toeram-piasana voakasika, dia tsy nila niantso mpamonjy voina akory dia voafehy ny afo.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici