
Tsy ambodiomby intsony indray ry zalahy ireto no tra-tehaka fa ambodiakoho … Ny alatsinainy lasa teo, mampaky trano roa lahy no saron’ny polisy tetsy Ampasampito. Noraisim-potsiny ry zalahy ireto raha nikasa ny hamaky ilay tranon’akoho.
Tokony tamin’ny iray ora maraina tany ho any no niseho ity vaky trano ity. Nampandre avy hatrany ny polisy ny tompon-trano raha vao naheno ny zava-nisy. Poa toa izay ihany koa dia tonga teny an-toerana ireto mpitandro filaminana. Izy ireo moa izay ao anatin’ny fametrahana ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana ka tsy mitsahatra manao hetsika amin’ny alalan’ny fisafoana tsy tapaka. Mbola somokitra teo am-pangoronana ireo akoho be ry zalahy ka tsy afa-nitsoaka akory tamin’ny fahatongavan’ireo mpitandro filaminana. Mazava ho azy fa dia noraisim-potsiny ary nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo izy roa lahy. “Manentana hatrany ny olom-pirenena moa ny polisimpirenena mba hiara-miasa amin’ny fanomezana vaovao sy fanairana haingana, ho fampandriana fahalemana maharitra”, araka ny fampitam-baovaon’ny polisy.
m.L




