Nitrangana lozam-pifamoivoizana nandratrana olona teo Ampasampito ny alin’ny talata lasa teo. Araka ny fantatra dia mpandeha an-tongotra iray tao anaty arabe, tsy lavitry ny rond point Ampasampito no voadona. Taxi avy Avaradoha handeha hitodi-doha ho any Ankadindramamy no nahavanon-doza, tokony ho tamin’ny folo ora alina tany ho any. Ary mamo tanteraka ny mpitondra azy. Mazava ho azy moa fa malalaka tsara iny lalana iny rehefa alina, tsy toy ny antoandro, izay tena mampiteny ny moana ny fitohanana. Somary nandeha mafy araka izany ranamana, izay efa varimbarin’ny alikaola rahateo. Tsy nahatazana velively an’ilay rangahy 40 taona niampita. Tsy tana ny fifandonana ary mafimafy ihany. Naratra mafy ilay voadona, hoy ny vaovao ary tsy nahatsiaro tena mihitsy. Nezahina nentina nihazo ny hopitaly teo akaiky teo ihany moa saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ainy, noho ny hamafin’ny dona nahazo azy. Tonga teny avy hatrany ny polisy taorian’ny fampandrenesana azon’izy ireo, nijery ifotony ny zava-nisy sy nanokatra ny fanadihadiana. Hita teo tamin’io moa fa tena ambony dia ambony ny tahan’ny alikaola tao anatin’ilay mpamilin’ilay taxi araka ny vaovao azo. Ka nentina avy hatrany ity farany, notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy. Ary fantatra fa nadoboka am-ponja vonjimaika, taorian’ny fakana am-bavany.
m.L




