- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasampito : Reseveran’ny zotra 147 voadaroka teo am-pitakiana saran-dalana

Ampasampito : Reseveran’ny zotra 147 voadaroka teo am-pitakiana saran-dalana

Nivonto ny masony roa, Nivindina ny molotra. Izany no hahazo ity resevera iray ao amin’ny zotra 147 ny Alahady 28 jolay teo noho ny daroka nataon’ity tovolahy nadeha tamin’io fiara io teo Ampasampito. Araka ny fanazavan’ireo nanatrika ny zava-nitranga dia fitakiana saran-dalana no niandohan’izao famonoana izao. Niala teny Ambohijatovo io fiara io hariva io. Lehilahy iray izay nanao fanamiana Barea no fototry ny olana. Toy ny mahazatra azy dia nitaky ny saran-dalana tamin’ireo olona vao niditra ilay resevera. Toa tsy rototra anefa ireto mpandeha notakiana ka voatery niverimberina izany fitakiana izany. Nandritra izay indrindra no nampaka-peo ilay tovolahy ary rehefa tonga teo Ampasampito, eo amin’ny fiantsonana antsoina hoe 23, dia nitady lalana hivoahana ny fiara izy sady nidaroka totohondry sy nanao katro-doha ilay resevera. Handeha hitsoaka izy no nandray hazo fisaka fitoeran’olona ireny ilay resevera ary nanenjika azy hatreny amin’io « rond-point » Ampasampito io. Nahita izany ny polisy dia nanontany hoe misy inona. Ilay resevera rahateo feno ra ny tenany noho ny ratra nahazo azy. Rehefa nanazava ity farany dia nialza ny polisy fa handray andraikitra ka efa niantso  ny fiaran’ny mpitandro filaminana. Tsy fantatra aloha hatreto izay niafaran’ity raharaha ity. Ny azo antoka anefa dia olona tsy te-handoa saran-dalana ihany koa angamba ity tovolahy nidaroka ity ka mitady izay fomba rehetra hialana amin’izany. Fa ny mampahalahelo amin’izao toe-javatra izao dia ilay resevera manao ny asany indray no mahita faisana.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici