- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasika : Fatin-dehilahy natsingevan’ny rano, efa potika tanteraka

Ampasika : Fatin-dehilahy natsingevan’ny rano, efa potika tanteraka

Nahitana fatin’olona indray ny ranon’Ampasika. Lehilahy manodidina ny 40 taona eo ho eo no nentin’ny rano ary tazan’ny rehetra teny amin’ny manodidina nitsingevana nihohoka fotsiny, omaly maraina tokony tamin’ny 8 ora teo ho eo. Ny mpianatra sendra nandalo teo no nifarimbona nisakana an’ilay faty tsy ho lasan’ny rano sy nampiakatra azy an-tanety. Rehefa navadika ity farany, dia hita ho efa simba be tsy nisy nahafantarana azy intsony ny endriny. Nitsovaka ihany koa ny hoditra teo amin’ny tongony ary efa nibontsina ny kibony. Tsy fantatra arak’izany izay tena antony nahafaty ity lehilahy ity na namono tena na kosa nisy namono. Niandry ihany ireo mpaka fasika teny an-toerana ny mba hangalan’izay fianakaviany ny razana, saingy hatramin’ny ora nangalan’ny BMH ny razana teny an-toerana dia tsy nisy olona nitonona ho mahafantatra azy io. Efa tonga eny amin’ny  HJRA ny razana miandry izay ho fianakaviany. Tsy nisy kara-panondro na zavatra mety nahalalana azy ihany koa teny aminy ka izay no tena mampanano sarotra ny fitadiavana ny fianakaviany. Manoloana izany, nanambara ny renim-pianakaviana iray izay efa mpaka fasika sy mpitaom-biriky teny amin’iny toerana iny nandritra ny 40 taona, fa  saika in-dimy isan-taona no ahitana fatin’olona entin’iny rano iny. Ny ankabeazany, hoy hatrany izy, dia ireo izay mamono tena izay marihina fa olona tsy misy mipetraka eny avokoa. Ny ankoatr’izay, dia ao ireo tanora izay tsy mahalala akory ny refin’ny rano izay tena lalina dia lalina, ka maty tsy fidiny.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici