- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasika : isolokiana amina resaka « mercure », teratany vahiny iray nosamborina

Ampasika : isolokiana amina resaka « mercure », teratany vahiny iray nosamborina

Teratany vahiny iray fantatra amin’ny anarana hoe « Ariaz » no nosamborin’ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy, ny herinandro lasa teo, teny Ampasika. Araka ny loharanom-baovao avy eny anivon’ny pôlisy, dia lehilahy fantatra amin’ny  fisolokiana avo lenta amina resaka fividianana « mercure », vato sarobidy ary menaka lavanila izy ity. «Tamin’ny fanadihadiana dia fantatra fa ity lehilahy ity ilay misandoka ho teratany vahiny mividy « mercure, huille essentiel vanille, ary vato », hoy ny vaovao. Efa fitarainana maromaro no voarain’ireo mpitandro filaminana mahakasika ity teratany vahiny, 35 taona ity. Efa vola aman-tapitrisany maro no efa azony tamin’ireo olona efa voasolokiny. Miasa amin’ny alàlan’ny tambajotra izy amin’izany asa ratsiny izany. « Misy ireo olona misandoka ho manana “mercure, huille essentiel vanille, ary vato” ka milaza fa misy teratany vahiny mahasahy mividy lafo izany. Mody ampiresahany amin’ilay teratany vahiny amin’ny alàlan’ny antso amin’ny finday ireo hosolokiana avy eo misy olona ataon’izy ireo hoe “expertise” mijery ilay entana ka rehefa izay dia angalan’izy ireo volabe ireo olona tafaroboka » hoy araka ny fampitam-baovao hatrany. Araka izany hoe efa maro ny fitarainana azon’ireo pôlisy, dia niroso avy hatrany tamin’ny fikarohana ireo olon-dratsy sy ny fanadihadiana izy ireo. Efa ela nokarohina io lehilahy io, hoy ny fanazavana azo ary dia izao voasambotra izao. Raharaha telo no hanenjehana ity olon-dratsy ity, ary ao anatin’izany ity resaka fisolokiana ity. Ny sabotsy no natolotra ny Fampanoavana izy, ary fantatra fa efa nadoboka am-ponja avy hatrany, miandry ny fotoam-pitsarana azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici