Mpivady izy roa fa efa nanan-janaka vavy izay dimy taona kosa ankehitriny ilay ramatoa, talohan’ny fanambadian’izy mivady. Ny alin’ny alahady teo no raikitra ny fifamaliana ; izay nitarika fikasihan-tànana. Raha ny fanazavan’ny polisy misahana ny raharaha, dia ahian-drangahy ho mampirafy azy ny vadiny ka izay no niteraka hasarotam-piaro ; izay niafara tamin’ny fikasihan-tànana sy vono olona. Nahavita nitsoaka tao an-trano ilay ramatoa rehefa hitany fa tsy nahafehy tena intsony ny vadiny, tamin’ny herisetra. Ny olana kosa anefa dia ilay zanany vavy no tavela irery niaraka tamin-drangahy tao. Dia io indray no niharan’ny daroka sy ny hatezerana. « Noho ny vono nahazo ilay zaza, dia tsy tàna intsony ny ainy. Etsy andanin’izany, henon’ny fokonolona ny antso vonjin’ilay vehivavy ary nirohotra ireo nanatona ilay toerana. Raha vao nahita ireo olona marobe ilay lehilahy dia rifatra nitsoaka » raha araka ny fanazavan’ny polisy hatrany. Tao anatin’izay koa dia nahazo antso ny polisy etsy Itaosy, ary nidina an-tsehatra. Nifanenjehana tao anatin’ny haizina ary voasambotry ny fokonolona ilay nahavanon-doza. Tonga koa ny polisy ary olona izay efa an-katoky ny fitsaram-bahoaka no hitan’izy ireo teo. Raha tara kely monja izany, dia efa vita ny amin’ilay olon-dratsy. Koa satria vono olona ny raharaha mahakasika io farany, dia naterina teny anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava ny tenany.
D.R