- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmpasika : Mampiasa ankizy kely ireo mpandroba anaty fiara

Ampasika : Mampiasa ankizy kely ireo mpandroba anaty fiara

Mila mailo ! Tsy mitsahatra mikaroka tetik’ady hafa foana ireo olon-dratsy  hahafahany manao ny asa ratsiny. Eny amin’iny faritra Ampasika sy Andohatapenaka iny, ankizy kely indray no ampiasain’ireo olon-dratsy entina hanafihana sy handrobana ireo mpitondra fiara. Mody mitakisina amin’ireo fiara tratra anaty fitohanana ireto ankizy ireto ary manakiaka na mikapokapoka ny vatany amin’ny vato. Mazava ho azy fa tsy maintsy ho taitra amin’izany ny tompony ka mivoaka ny fiara. Amin’izay fotoana izay, efa andian’olona mitondra fitaovam-piadiana no manodidina ilay olona, midaroka sy manendaka. Toy  ireo tranga mahazatra eny an-toerana, dia tsy misy sahy mamonjy ny mponina sy ireo izay mahita. Tahotra ny hifoteran’ireto olon-dratsy lian-drà ireto mantsy. Tsy iray tsy roa no efa tratran’ity tranga ity, teny an-toerana, fa efa betsaka ireo mpampiasa iny làlana iny no mitaraina sy efa lasibatra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici