- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmpasika : Mpanendaka nitam-basy, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ampasika : Mpanendaka nitam-basy, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ny ainy sisa no tsy nanefa !

Ny aza tratra ihany aloha fa dia mety ny ain-dehibe mihitsy no ho afaka amin’ny manaraka !

Tovolahy iray avy nanendaka sy nandratra ilay lasibatra tamin’ny alalan’ny tsindron’antsy no voasambotry ny fokonolona teny amin’iny faritra Ampasika, Itaosy iny. Voadaroka, voavono, notaritaritin’ny fokonolona hatreny amin’iny biraon’ny polisy ity farany. Efa raikitra mihitsy aza moa ny hoe « dory velona avy hatrany » …

Ny zava-nisy: vehivavy iray, avy nivarotra no niharan’ny herisetra sy ny fanendahana tetsy Anosimasina, (Bemasoandro Itaosy), tsy lavitry ny toby fivarotan-tsolika iray. Roalahy ireo olon-dratsy araka ny angom-baovao azo, izay voalaza fa nitondra antsy sy basy poleta. Niezaka niaro ny fananany ity renim-pianakaviana ity no sady niantso vonjy ka tsy nisalasala nampiasa ireo fitaovam-piadiana teny am-pelan-tanany ireo olon-dratsy. Raha ny fitantaran’ireo teny an-toerana dia notrobaran’ny iray tamin’ireo mpanendaka ny antsy ny kibony. Naratra mafy vokatr’izany. Naheno ny antso vonjin’ilay ramatoa ireo mponina talohan’izy nitolefika ka rafitra namonjy. Tetsy andanin’izay kosa, nanao tsoa-pe nitsoaka izy roalahy nony tamy ireo fokonolona saingy nifanenjehan’ireto farany eraky ny tanimbary sy ny elakelan-trano. Tsy lasa lavitra ny iray dia voasambotra. Latsaka teny am-balahany ilay basy poleta niaraka tamina « chargeur » tsy nisy bala.

Efa romotra tanteraka amin’ity resaka tsy fandriampahelamana ity moa ireo mponina ka tao ireo tsy nahatana ny fony intsony fa dia rafitra nidaroka sy namonovono ilay lehilahy voasambotra. Niezaka niaro ny tenany ity farany saingy mbola hitsoaka saingy efa voadidina ka tsy afa-nankaiza. Ny fahenon’ireo fokonolona aza hoe fa namoy ny ainy ilay vehivavy no vao maika nampiakatra ny hatezeran’izy ireo, na dia tsy izay aza no niseho araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena satria « na dia voa mafy aza ilay ramatoa dia mbola ao anatin’ny fitsaboana azy tanteraka ireo mpitsabo ». Notaritarin’izy ireo tsy nanany antra ihany koa ity olon-dratsy ity, izay efa toa tsy mahatsiaro tena intsony noho ny vono nahazo azy. Tamin’izay no raikitra ny hoe « hakao mololo ho dorana velona » saingy mbola nisy noterem-panahy ny sasany tamin’ireo fokonolona ka niezaka nanatitra ity mpanendaka ity ho eny amin’ny biraon’ny polisy. Araka ny fanazavana nomen’ireto farany dia hoe « naratra mafy ity lehilahy voalaza fa mpanendaka ity ary voatery nalefa notsaboina ihany koa. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy izy ». Efa eny am-pelan-tanan’ny polisy araka iny raharaha ary efa mandeha ny fanadihadiana.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici