- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasika : « Taxi » notafihana telo lahy mitam-piadiana

Ampasika : « Taxi » notafihana telo lahy mitam-piadiana

Ny iray tamin’ireo mpanafika « taxi » voasambotry ny zandary. (sary : ZP)

Fiara karetsaka iray nitondra mpandeha indray, no lasibatry ny andian-jiolahy teo Ampasika, ny harivan’ny sabotsy tokony ho tamin’ny fito ora tany ho any. Lasa tamin’io ny entana sarobidy rehetra nentin’ilay mpandeha. Tsy afa-nikofoka rahateo ny mpamily. Efa sabatra no teo an-tendany.

Isan’ny toerana iray, mampatahotra ny rehetra amin’ny resaka tsy fandriampahalemana raha iny faritra Andohatapenaka sy Ampasika iny. Indrindra fa rehefa manomboka ho hariva sy mirotsaka iny ny alina ka manjaka eny an-toerana ny fitohanana lavareny. Tamin’io  faran’ny herinandro io, dia sady nikija tsy nisy toy izany ny orana. Tamin’izay indrindra no nanararaotan’ireto telo lahy nirongo zava-maranitra, nanatona fiara karetsaka iray, avy aty an-drenivohitra, hizotra ho any Itaosy any. Toy ireny olona hiampita arabe ireny ry zalahy, kanjo nivily tampoka ny lalany ary avy hatrany dia ilay mpamily no natonin’izy ireo, nambanana sabatra mba tsy hampihetsika ny fiara nentiny. Nanokatra avy hatrany ny varavarana kosa ny roa lahy, ary nandrahona ilay mpandeha. Araka ny vaovao azo, dia lasa tamin’io ny sakaosy iray nisy solosaina fentin-tanana, ary poketra nisy vola sy finday. Tao anatin’ny fotoana fohy monja no nanatanterahan’izy ireo izany asa ratsy izany ary nirifatra nitsoaka izy ireo taorian’io.

Amin’izay lafiny izay indrindra no nahatonga ny teo anivon’ny borigadin’ny zandary eny Itaosy hametraka paik’ady manokana, hiadiana amin’io tsy fandriampahalemana manjaka eny an-toerana io. Nahitam-bokany tokoa izany. Raha ny fanazavana azo mantsy, dia « tsikaritry ny zandary mpanao fisafoana anefa io fanafihana io ». Raikitra teo ny fanenjehana  ary tsy lasa lavitra akory dia voasambotr’ireo mpitandro filaminana ny iray tamin’ireo mpanafika. Tafaporitsaka kosa tetsy an-danin’izay ireo namany hafa, izay karohina fatratra amin’izao fotoana izao. Nentina nohadihadiana tany amin’ny biraon’ny zandary moa ity olon-dratsy ity. Fantatra kosa, fa efa tafaverina tamin’ny tompony ireo entana lasan’ireo olon-dratsy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici